You are here: home > Tononkira > Aron Mahandry

AFENIKO (Aron Mahandry)

Ianao zao mety mahatsiaro satria lavitra ahy
Satria ny halavirana no mahatonga izany
Dia ianao zao mieritreritra hoe izaho tsy manahy
Kanefa izany foko Toa marary anao

Fa miezaka aho mifaly,dia mitsiky hatrany
Tsy ataoko misy mahalala oe izaho ne mijaly
Fa tazomiko hoahy irery,ny ratra sy ny fery
Hokoboniko hatrany na mafy aza ireny

Fa efa babo aho,Babonao tanteraka
Ka omeko anao ny foko na dia reraka
Tsiky dia ampy
Ka afeniko ny fitiavako, mba ho anao rery iany
Tsy avelako hisy ahita satria efa anao
Ka raha misy mikasa hitady dia laviko hatrany
Fa efa natokako ho anao tsy misy fangaro

Ka afeniko androany,afeniko hatrany
Miala maina eo foana izay mikatsaka izany
Fa ra ianao no mitady ,dia izaho tsy hisalasala
Ka holazaiko anao oe ny foko efa adala

Fa efa babo aho ,babonao tanteraka
Ka omeko anao ny foko na dia reraka





Aron
05-5-2017

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Aron Mahandry
Mpamaky : 131
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mahandritiana
Tamin'ny : 05/07/2018 17:58:24
ID : 10713

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo