Valin-kira ho an'i Arion Joy, voninkazo voarara (Nicka Jeam)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaika idrana ilay tanako mba hoe ho anao
Tondro-molotra sy fitaka no setriny ah
Tambitamby ireny ,tsy hoe zava-poana
Saingy za anie oà tsy tokana fa manana olo-tiana
Tiako anie raha hoe enao no eo amin’ny toerana
Fa io nge tsy itambarana fa aleo ho anazy irery ihany
Ka aleo mijanona ho mpinamana
F'enao ve moa tsy hiandry anà raha misy fo mtempo any
Ka mba fenoy ange izay tsy ampy
Fa zah nge hatrizay ka niafy
Raha sanatria izahay misaraka
Aza miavaka manafina fa mbola misy fitia (Fa mbola misy fitia)

Refrain:
F’aza hozonina anozona ny fiarahanay re!
Fa ny hany sisa azo atao dia hoe ny manadino anao (oh oh, he)
Ka veloma mapamangy,Veloma mapamangy

Ny foko aleo hidoboka fa zah lou tsy najery yeah
Ilay ventsom-po nihirahiraina lasa fery yeah
Dia aleoko indray nanohy ny diako
Tsy vitako ny anao veloma fa dia mapamangy yeah
Aza Hozona aza haratsiana fa marary
Ranomasom-pahoriana lava re ny ahy (yeah)
Zatra miafy zah, Zatra miafy zah
Fa mba fenoy ange izay tsy ampy
Fa zah nge hatrizay ka niafy
Raha sanatria izahay misaraka
Aza miavaka manantona fa mbola misy fitia (Fa mbola misy fitia x2)
--------
Rohy:
Hevitra
winous ( 27/05/2016 12:02)
Milay be fa nisy valiny ilay hira nankafizin'olona maro, hi hi
Io ny valiny re an! mankasitraka an Nicka Jeam fa tena tafita kosa ngamba ny hafatra e! Amiko manokana mba manana anjara teny kosa ny andaniny...Misaotra antsika mpakafy e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nicka Jeam
Vangy : 6575
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : winous
Daty : 27/05/2016 12:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714