Omeo Iray Minitra (Arione Joy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa ilay lanitra any iny anie e
Tsy mba mangamanga (x3)
Aza atao an'izany izy fa marary e
Mba omeo iray minitra ilazany ny ao am-po
Dia lazao azy fa ianao efa tsy azy intsony
Na dia mety harary a ireny ditra izay nataonao
Tsy mba tezitra izy tsy mba nalahelo ô
Fa foiny ho anao anie ireny (x2)
Na dia any anatiny aza mety mitomany
K'aza lavina
E! ireny fiangaviana ireny ireny faniriana ireny
Fa marary anie ho'aho Ilay tsy asiana kôzy iny

Ref :
Dia mba omeo an'azy e f'izy anie voasazy e e Dia mba omeo anazy e fa marary anie ho'aho ireny ilaozanao iny

Fa marary anie ho'aho ireny ilaozanao iny
Fa ny ranomasina iny anie e
Ohatran'ny menamena noho ianao ihany e (menamena)
Ny nataonaoa ihany e (menamena)
Fa ilay lanitra any iny anie e
Tsy mba mangamanga
Hafa mihitsy anie tsy mba mangamanga
Feno alahelo tsy mba mangamanga
Fa marary anie ho'aho ireny ilaozanao ireny
F'izy mody tsy mba niteny

Mahafaly anao mahita anazy mitomany
Mahafaly anao mahita anazy malahelo ô
Na ny hamafa ranomaso aza tsy adidiko hozy ianao
Fa aleo mba ho azy irery (ho azy irery)
F'izy anie raha hanao hadalàna aza ampiana mihitsy
Fa hitany ny làlana manakany e
Fitiavany anao re izay no hanaovany an'izany
Fitiavany anao re k'aza atao an'izany e

Dia mba...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Arione Joy
Vangy : 4727
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rafanomezantoky
Daty : 12/11/2018 12:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736