MASOANDRO (Arione Joy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
A la la la la la la la la la, aah aah
Tsy afa manoatra izy iny fa te ho any anie
Te hiara-dalana aminao iny, mmhh
Ianao no iriany ihany koa mba ho namany e
Nefa, toa tsisy sira tsy mba niasanao loha
Voapetrapetrakao foana, laingalainga sy ny fitaka retra mandeha
Dia tsy nampoiziny fa ianao ange tsy Love hatramin’ny na indray mande
Aiza no alalany anzany zany, zany e tsy mba lazainao ny marina
Avelanao itsiriritra fotsiny eo izy e
Aii aii é

(REFRAIN)
Fa zava-mitranga anie zao ralahy
Matokisa koa fa mbola ho avy ilay anjara
Lanitra ho manga anie fa aza manahy
Fa samy olombelona mba manana amboara
Ka aza mba maika aloha fa ho avy ny fotoana anie
Reny vitany aza mety hoe anenenany e
Dia ra ny ditrany avelao aloha amelana e
Fa izi ai ai ai aiii

N’inon’inona ataonao
Izy anie natoky foana, ihany ianao hilaza fa ianao anie ny anjarany e
Kanefa ianao, tsy mba niova
Fa nozarinao ny lainga koa ny tenany a, ayee
Mety hoe mba marary ko ny fony anie
Fa reny masoandro lasanao reny
Mety anenenanao koa indray andro any
Izay revinao retraretra ary nekeny
Tsy ho valiny aminao fa mety avelany any
Tsy maintsy iafiny anie, na dia marary aza reny dia iafiany anie

(REFRAIN)

Fa reny masoandro lasanao reny
Mety anenenanao koa indray andro any
Izay revinao retraretra ary nekeny
Tsy ho valiny aminaoooo

(REFRAIN)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Arione Joy
Vangy : 7975
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : tononkiram
Daty : 26/04/2018 17:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746