You are here: home > Tononkira > Ariane

Andron'ny Noely (Ariane)

Andro tsara sady tena soa tokoa,
Andron'ny Noely mampientana ny fo
Feon'ny anjely sy ny zazakely,
Injao manakoako sy mamiratra tokoa

Ref:
Ô! Ry mpino aza adino fetintsika re,
Teraka ao Betlehema ilayTsiky dia ampy mpanjaka antsika e
Fifaliana, hirahira no asandratra
Mifalia, mihobia tsy hankanavaka

Tonga ny Mesia, ilay mpanavotra
Izy no hamonjy antsika sy hitantana
Feon'ny anjely sy ny zazakely,
Injao manakoako sy mamiratra tokoa

Ref:

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ariane
Mpamaky : 263
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : manoa1
Tamin'ny : 14/03/2017 19:07:27
ID : 9238

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo