Avenir (feat Quatuor Squad) (Ari Nao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny enta-keliko mena,
Menan'ny vovon-tany hosena
Ny talaho sy tolokon'
ny mpiray tampoko
Mitsatok'am-poko
Na matanjaka aho, na niezaka aho
Toa lasa heri-po very maina
Mba te hihoitra fa tsy afa-manoatra
Ka dia tonga saina

Hoy aho hoe
Ikaky ô, neny ô, tsofy rano
Hisaraka, handao 'ty trano
Ny diako mazana, ny ho avy tsy tazana
Miady mafy ho tafita
Fa ny fanantenako, efa ritra

Nandinika mafy aho, nihaino naharitra aho,
Efa hita mazava, ny kibay sy basy lava
Nomenareo hafaliana, tamby sy fitsikiana
Saingy ny ditra hita, manery ahy hiampita

Ikaky ô, neny ô, tsofy rano
Hisaraka, handao 'ty trano
Ny diako mazana, ny ho avy tsy tazana
Miady mafy ho tafita
Fa ny fanantenako, efa ritra

Fafao ny alahelo sy ranomasonareo
Sao mankarary ahy, mampitoreo
Raha tafita any aoriana, ny lolom-po hangina
Hiverina aho, izay no ikiriana

Ikaky ô, neny ô, tsofy rano
Hisaraka, handao 'ty trano
Ny diako mazana, ny ho avy tsy tazana
Miady mafy ho tafita
Fa ny fanantenako, efa ritra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ari Nao
Vangy : 1910
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/04/2019 12:59
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111