Tsy hita (Apost)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nony efa tsy hita maso
Mety tsy hahatsiaro intsony
Alahelo ihany koa
Satria sarahan-tany
Embonembona sisa monja
Nefa mbola mitempo ho azy ny fony
Nentin’ny hambom-po
Nenina ny hafarany
Fahanginana foana ve?
Ny saina ve efa tony
Nahatsiaro ny teo aloha?
Tsisy afa-tsy tomany
Takalo no nifanarahana
Vato mafana no nomeny, hono,
Lafo ny saka be loha
Tsisy fika fa vinany

Ref:
Am-bava tsy tia fa am-po taralila
Variana niriaria izy nefa dila
Fotoana doria tsy miandry filafila
Toy ny tany maria sy tany kisilasila

Fotoana maro taty afara
Ny tany boribory
Nifanatri-tava
Samy misalasala
Izay tokoa angaha no anjara
Tsy maty fa matory
Ny rahona hisava
Fitiavana adala
Tantara no aoka hitsara
Fa tsy hifampitory
Na hiady vava
Ary tsy hifankahala
Lavadavaka makarakara
Nofy, sorisory
Lalina sy lavo
Samy vita, samy miala

Ref:
Am-bava tsy tia fa am-po taralila
Variana niriaria izy nefa dila
Fotoana doria tsy miandry filafila
Toy ny tany maria sy tany kisilasila
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Apost
Vangy : 2312
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 30/09/2013 00:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9795