Ory (Apost)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifoha aho maraina tsy tafody raha tsy ny alina
Mitady, mikaroka izay hahavanona
Mba hitsinjovana ny ankohonana
Mihezaka, mihoitra mba hampilamina

Bridge:
Ka ny androany no tadiavina
Ny ampitso mbola tsy hay
Rahoviana ihany re vao hisy fiafarany
F’efa mankalao

Ref:
Inona loatra re no dia fahotana, sa voaozona?
Mahatsiaro irery, tsy mba misy mpijery
Toa ondry very

Fa ny faniriako mantsy ny ankaikinao
Hibitsika, hifaly na hitomany, isika iray
Ka tsy ho ataoko ambon-javatra
Saingy ny fiainana matetika mampitomany

Bridge:
Te hiezaka ihany hanao izay azo atao
Toa miala maina
Izay rehetra aleha maneno sahona
Mampiteny irery

Ref:
Inona loatra re no dia fahotana, sa voahozona?
Mahantra irery, tsy mba misy mpijery
Toa ondry very

Mba rahovina re no mba hisy fiafarany
Fa fijaliana lava izao?

Ref:
Inona loatra re no dia fahotana, sa voahozona?
Mahantra (mahatsiaro) irery, tsy mba misy mpijery
Toa ondry very
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Apost
Vangy : 2051
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 29/09/2013 23:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2586