You are here: home > Tononkira > Apost

Itony (Apost)

Aza be fitaka, sao diso lalana
Ny tody anie tsy misy
Fa ny atao no miverina
Aza mamilafila, mihevitra olona ho sanĂ na
Manao izay itovizam-peo,
Mba mora fialana

Izay rehetra atao anie
Tsy ilĂ na tambiny avokoa
Fa misy ihany mba tena vokatry ny fo

Aza mirediredy,
Fa tsy fantany akory ny lazainy
Fa ny teny raha foy manan’elatra
Aza mba atosika ry ondry botry
Sao hanao kambana
Aza manosiosy, fa tsy hainao….
Izay hiaTsiky dia ampyfarana

Ny soa natao tsy anenenana
Ny sisa no tsy atao intsony
Any an-kafa indray manarina

Ny soa natao tsy anenenana
Ny vola aman’hetsiny tsy hilevenana
F’aleo ihany fitiavana

Ka mantena fiovana (ianao)
Avy aminao
Amin’izao fiainana mandalo izao
Mba hisaintsaino tsara ihany
Izay atao, mba tsy hanenenana

Ny tody tsy misy fa….
….ny atao no miverina
Ny ratsy atao loza mihantona
Ny heloka hibaboana mody rariny

APOST
"DIDY FOLO"

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Apost
Mpamaky : 2110
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : RAOELISON Hasimbola
Tamin'ny : 14/06/2002 16:24:26
ID : 729

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo