You are here: home > Tononkira > Apost

Hafatra (Apost)

Tezitra ianao fa tsy nanaraka ny ony
Variana loatra mankafy
Fahiny aho no miantsoanatso
Ny anaranao
Ankehitriny kosa lafatra ka nandao

Nefa tsarovy
Olombelona, mbola ho solafaka
Hidaraboka
Mitafy nofo (2) sy rà
Ka izao no tsarovy,
Hotsaraina indray andro any

Ny olombetononkira.serasera.orglona dia mora manadino
Tsy tsaroany intsony…
Fa tojo izay niriany
Ilay namorona aza natao….
Toa tsy misy
Ny fiainana no lasibatra, indrisy

Nefa ange(ka)
Ny aina indramina
Mbola tsy tompony akory
D’efa dedaka
Saka manafin-koho, mivadika
Ambodia mitafy hodi-janak’ondry

APOST
"DIDY FOLO"

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Apost
Mpamaky : 2833
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : RAOELISON Hasimbola
Tamin'ny : 14/06/2002 16:50:18
ID : 731

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo