You are here: home > Tononkira > Apost

fakam-panahy (Apost)

Indray andro tao Edena nahita lisy iray
Izay nahababo fo ka nahavery fanahy
Ny maso baribary avy hatrany dia potika
Ka tsy nahalala intsony fo rotidrotika

Ref :
Efa hatramin’ny andro voalohany
No efa meloka isika
Voafitak’ilay paoma iray
Menarana mpaka fo
Tsy nampahatsiaro andro mangatsiaka
Voasintony t@ hazo feno lay

Tsy maintsy tratran’ny fakam-panahy
Izay manenjika avy ao aoriana
Mampitondra fahoriana, mampilanja hazo fijaliana
Mampisotro ny rano tsy tiana ny fakam-panahy

Ref :
Efa hatononkira.serasera.orgtramin’ny andro voalohany
No efa meloka isika
………….

Maniry tsy nahy ny fakam-panahy
Misy maminy anefa ka andramo raha sahy
Fa fakam-panahy izay mampahatsiahy
Asiany daholo na vavy na lahy
Taola-nify ka mba mihomehy
Tsy takan’ny banga mihomehy alina
Na soavaly tapa-kofehy
Ka tsy afak’hirehareha
HA !HA !HA !HA !HA !HA !HA !HA !

Ref :
Efa hatramin’ny andro voalohany
No efa meloka isika
Voafitak’ilay paoma iray
Menarana mpaka fo
Tsy nampahatsiaro andro mangatsiaka
Voasintony t@ hazo feno lay !
LAY ! LAY !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Apost
Mpamaky : 1476
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : blahblah
Tamin'ny : 06/07/2013 23:55:43
ID : 6345

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo