KATSAHO ALOHA NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

Diniho ange ireo goaika tsy mamafy na mijinja
Ary tsy mba manan-trano hitehirizan-kanina
F'Izy Tompo no miahy sy mamelona azy
moa tsy mihoatra noho ireny va ianareo
Koa nahoana no dia velom-panahiana?

Ref: Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra
Dia homena maimaim-poana ireo rehetra ireo
Miambena mtononkira.serasera.organdrakariva ary mivavaha
Mba tsy ho latsaka amin'ny fakam-panahy

Diniho ange iretsy lisy tsy mba miasa na mamboly
Kanefa na i Salômôna aza tsy nitafy tahaka azy
Mainka va fa ianareo ry kely finoana
Fantatry ny Tompo fa ilainareo izany
Ka aza dia miahiahy foana

A/C: Nirina Ranoelison (Ni)
Nampiditra: Emmanuel RABEHAVANANA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Mpamaky : 223
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Bitrodia
Tamin'ny : 29/01/2019 22:35:59
ID : 11341

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo