Ry Andriamanitray (APF TANGAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I.Ry Andriamanitray,
Misaotra Anao zahay
Fa nohon'ny fitiavanao,natsanganao indray
Ho isan-janakao ,ho ao am-balanao
Hanara-dia Anao tokoa hanao ny sitrakao

REF: Koa indro havaozinay,sy hamafisinay
'Lay fanekena t@ batisa fahizay
Ampio izahay,haharitra tokoa
Ka ny finoanay Anao,anio ,mandrakizay

II.Jesosy zoky tia,tantanonao 'zahay
Mba tsy haniasia indray,raha lavitra Anao
Ho mpianatrao tokoa ,ho tia namanay
Ka ny filazantsaranao,no hery ho anay

REF: Koa indro havaozinay,sy hamafisinay
'Lay fanekena t@ batisa fahizay
Ampio izahay,haharitra tokoa
Ka ny finoanay Anao,anio ,mandrakizay

III.Fanahy masina ô,mitoera aminay
Hibitsika mangina sy hitari-dalana
Meteza ankehitriny mba ho sakaizanay
Ka hampahafantatra aminay ,ny sitrapon'ny Ray

REF: Koa indro havaozinay,sy hamafisinay
'Lay fanekena t@ batisa fahizay
Ampio izahay,haharitra tokoa
Ka ny finoanay Anao,anio ,mandrakizay
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 14:30)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
dadhents ( 02/07/2017 12:32)
can you speak french please?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APF TANGAINA
Vangy : 1445
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : dadhents
Daty : 03/06/2017 09:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074