Fanantenana (APC Tangaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
L: Ny tena fiainana efa nandalo
Fa sombitsombiny iany no indro sisa mba tavela
F'ireo sakaiza niaraha-nikalo
Mamelombelona indray ny tsiahin'ny ela
F'io sombiny io, zay norafetin'ny lasa
Dia vokatry ny ezaka zay mafy na mora
Fa mbola miiisy zay tavela ireo voakasa
Tahionao ry Tompo, tahio isan'ora


Refrain: L & V (2×)

(Mitambolona ao an-tsaina /B: Beso)
Ao an-tsaina (B:Ireo za...) ireo zavatra maro
(B:Dia ny hakiviana) Dia ny hakiviana sy ny hadalana
Fa ny loha mitraka mahatsiaro o
Ny tokim-pandresena, (B: ny fa...) ny fanantenana


V: Aoka ho Tony raha sendra ny ankaso
Tsy hitebiteby na hoe harary kosa
Fa ao ny laaanitra hamafa ranomaso
Ireo marisika Fanahy sy vatana Osa
Hitantsika ny toetry ny tany
Midina sy mianatra hatrany ny lalana
F'ireo mijaaaly nefa mino hatrany
No manantena indray ilay fiadanana


Refrain: ....


A&C: Razozy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APC Tangaina
Vangy : 1239
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sissie2007
Daty : 06/05/2017 14:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2908