MATOKY ANAO APAL EKAR BEMASOANDRO (APAL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matoky Anao aho Andriamanitra ô!
Matoky Anao sy ny fitantananao,
Fa ny làlana izay hitondranao ahy,
Tsy mankaiza fa ao aminao

Ka ny momba ahy: ny tena, fo, fanahy!
indro apetrako eo am-pelatananao
Fa ao aminao tsy mba manana ahiany,
Eny koa tsy hisy harombaka ahy

Ny fahasoavanao Tompo ô! No mbola naha-toy izao ahy,
Ka nahoana moa no tsy haneho fankasitrahana amin'ny hirako aho,
Andriamanitra ô!
Fa n'inoninona koa sakantsakana mety hampiverina ahy an-dalana aleha,
Dia tena tsy maintsy ho tody aho satria efa Ianao no miaraka amiko!

Eny mino sy matoky Anao aho,
Na mandalo adim-panahy mafy aza,
Mino aho fa tsy mahasaraka ahy Ianao
Fantatro fa tsy hahafoy ahy Ianao

Momba anao foana aho, hoy Ianao,
Velona ao anatiko ao zay voalazanao,
Ka na miaritra zava-manjo sy sedra aho, mbola matoky Anao

Fa ao am-poko ao, mbola mitoetra ao!
Ilay nampianarinao hoe "mandalo ny ety"
Fa ao aminao ihany, ao ihany no misy lay fiadanana mandrakizay

APAL Ekar Bemasoandro Itaosy
Arr: SONN
Harmonisation: Jean Jacques Randrianarimanana
Disponible sur youtube
Aut-Comp: RTN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APAL
Vangy : 1151
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : APAL
Daty : 22/03/2017 03:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727