MIVAY (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa tsy mora anie ny asanao izao
fitsapana hatrany no hiainanao
nefa aza manahy fa ao ny Ray
Izy no hitondra ny sedranao mivay
Aza miherika na mihemotra fandrao
maty indray 'lay afo ao anatinao
mivavaha hatrany , antsoy ny Ray
fa izy no hitondra ny sedranao mivay

Satana anie tsy faly ny aminao
eny tsy faly
miezaka manao izay azony hatao
ka mampijaly
nefa aza kivy na mihemotra fa mbola ao ny Ray
hiady ho anao amin'ny adinao mivay

Izao tontolo izao izay mambabo anao
fandrika mivelatra fakam-panahy
fa raha mino ianao dia ho azonao
lay fandresena voahomana ho ana

Aza miherika na mihemotra fandrao
maty indray ilay afo ao anatinao
mivavaha hatrany ,antsoy ny Ray
fa Izy no hitondra ny sedranao mivay

AKAFA Ambatolampy
a/c : SAMSON R.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Vangy : 1445
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : antsakarmela
Daty : 24/02/2017 14:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735