Misaora misaora (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaora misaora
Misaora,misaora ho an’i Jehovah !
Raha mbola velon’aina koa dia ,misaora azy
Ny andronao maraina ,orana io na maina
Dia ao ilay Mpahary, Andriamanitra Ray,
Midera,midera ho an’i Jehovah,
Omeo voninahitra Izy fa Ray mahery
Asandrato avo ny hira fiderana
Maneho ilay fahatsaran’Andriamanitra Ray

Tsy kisendrasendra izao rehetra izao
Fa noho ilay fitiavan’Andriamanitra ireo!
Ratsy sy ny tsara mifamahofaho
Hevitr’Andriamanitra ho ahy sy ho anao

Io masoandro io raha vao miposaka ery
Dia mitsinjo ny isam-baravarana
Tsy mba miangatra izy fa mizara tokoa
Porofom-pitiavan’Andriamanitra anao
Tebiteny ny ahiahy atsaharo
Matokia fa ao ny Tompo hiahy anao
Fanamby efa vita tsy mba miova izy
Fa ianao no manda ilay fitiavany anao

Tsy ny alahelo, ny hakiviana androany
No anomezan-tsiny an’Andriamanitra Ray e!
Fitsapana ireny, sanatria tsy sazy
Andriamanitra dia tsy mahafoy anao fa…
A/C: Rakotoharivelo Samson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Vangy : 1638
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rasams
Daty : 03/07/2014 10:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3508