Mahereza rahalahy (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahereza rahalahy aza kivy fa
Ny Tomponao hiady ho anao
Mitsangana vitao ireo asanao
Jesoa tsy mba mandao


Maro ireo olana manjo
Ka mila andreraka ny fonao
De tsarovy f’efa misy any ho any
Ilay Jesoa! Izay tsy miova
Ho famonjena anao

Mila ho kivy va ianao
Ka tsy mba mahita fifaliana
Very toky tsy mba manak’antenaina intsony
Jesoa ilay tsy miova
Ho famonjena anao

Tsy vaha olana tokoa
Ny miverin-dalana amin’finoana
Ka aza mierika na miovaova intsony izao fa. . .
Jesoa ilay tsy miova
Ho famonjena anao

A/C: Rakotoharivelo Samson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Vangy : 1788
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rasams
Daty : 03/07/2014 11:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829