Avia Jesosy o! (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avia Jesosy

Fa tebiteby lava hatrany,
Korotan-dava etsy sy eroa
Tsy azo hodian-tsy hita izany
Manohina sy mandratra ny fo
Mahantra ny firenenay,
Mijaly sy ory izahay
Tsy hita intsony ilay fahendrena
Nandrianina hatramin’izay

Ny fahamarinana tsy misy
Fitiavan-tena no hita indrisy
Tsy misy tahotra intsony
Fitiavam-bola no ambony
Mahantra sy mahonena
Ianao ry ilay Gasikara
Tsy hita intsony ilay fahendrena
Nandrianina hatramin’izay

Isika izao no antenaina
Isika izao no andrandraina
Ijoro ka hamerina indray
Hiafankatia sy hitambatra ho iray
Hiasa hanetry tena
Hiverina hifona amin-dRay
Ho katsahintsika ilay fahendrena
Nampiavaka antsika hatrizay

Avia Jesosy O!
Meteza Ianao jereo izahay
Ry Tomponay tsitoha
Vonjeo re ny taninay
Hanaro izahay
Hitodika aminao
Tsy manana an’iza iantorahana
Afa tsy any Aminao

A/C: Rakotoharivelo Samson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Vangy : 1799
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rasams
Daty : 03/07/2014 11:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1264