AMPIANARO AHO TOMPO (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

Ampianaro aho Tompo, mba  hanao NY sitratrakao.
Hafantarako fa zava-poana izao rehetra izao.
Maro loatra ireo fakam-panahy misakana NY dia
Tsy hatanteraka NY Anao ry Tompo tia( ry Tompo tia)
Nokedrenao mba  ho tonga olom-banona aho ry Ray.
Nefa noho NY adalako ,indro aho nangahiahy.

Ref: NY finoako Tompo o, aoreno ho marina
MBA tsy hisalasala intsony ny Aminao.
Ka tsy hisy hasakana ahy ,tsy hanantona anao.
Na inona e, hanjo NY fianako ety an-tany ety.

Ampianaro aho Tompo mba  ho resy Lahatra
Fa ny  teninao tononkira.serasera.orgirery no afaka hamaha ,
izany ahiahim-poko olona mangeja ahy.
Tsy hahitako izany tavanao ry Ray ( NY tavanao)
Aza avela ho sondriana hanamarin-tena aho,
Fa avereno hahalala izany voninahitrao.
NY finoako....

Ampianaro aho Tompo ho feno fandeferana
Fa hanindry ny  ambom-po mitoetra na miserana.
Tsy hisaina valifaty na hanao andolom-po
Fa hivavaka  hadio ry Tompo soa( ry Tompo soa)
Ka ho tia ireo namako  mihoatra noho ny  tenako.
ireo mitsangako ho fahavalo apetrako eo an-tananao
NY finoako.....

Akafa Ambatolampy volume 1
Samson R

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Mpamaky : 123
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : antsakarmela
Tamin'ny : 03/10/2018 08:37:22
ID : 11016

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo