Vonona hitory (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsapako tokoa re Ray Ô
Fa mbola fitiavanao ahy
Izao fahavelomoka izao
Koa manomboka izao Ray Ô
Dia ny maha izao ahy
Foiko manontolo re ka hanjakao

Ref:
Koa asandratro ny feoko
Ho fiderana Anao Tsitoha
Satria ny fahasoavanao
No nahatoy izao ahy koa
Vonona ny handeha anio
Ampitso ary mandrakizay (mandrakizay)
Hitory hatrany hatrany
ny fanjakanao Ray

2- Mamiko tokoa re Ray Ô
Izany fitiavanao ahy
Hatramin'izay ka hatramin'izao
Koa satriko foana Ray Ô
Ny hiara-dalana Aminao
Ka hanao hatrany ny asanao

Ref:
Koa asandratro ny feoko
Ho fiderana Anao Tsitoha
Satria ny fahasoavanao
No nahatoy izao ahy koa
Vonona ny handeha anio
Ampitso ary mandrakizay (mandrakizay)
Hitory hatrany hatrany
ny fanjakanao Ray
*************************************************
A/C: RAZAFY Petera
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Vangy : 656
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Vutus14
Daty : 01/04/2019 09:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1242