Voninahitra sy dera (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

Voninahitra sy dera

1- Ny voninahitra sy dera
No atolotra Anao Rainay ô!
Ny Zanakao no indro nafoinao
Mba hisolo ny helokay

Asandratray ny hiranay
Haneho ny hatsaram-ponao
Satria ilay Fitiavana ambony
No nanavotanao anay

Fiv:
Ny Zanakao nombohana
Noho ny otanay kanefa re
Tsy nanana izay heloka
Ka olona afaka izahay ry Tompo ô

*****************************************

2-Tsiky dia ampy Haja sy saotra ho Anao
Ry Ray Tompon'izao rehetra izao
Fa voadio ireto mpanomponao
Tamin'ilay ranao soa

Ambaranay, hotorinay
Tsy hankiato ny Anaranao
Hanakoako sy ho fantatra
Fa tena tsara Ianao

Fiv:
Ny Zanakao nombohana
Noho ny otanay kanefa re
Tsy nanana izay heloka
Ka olona afaka izahay ry Tompo ô

*****************************************
Antoko Mpihira Antsan'ny Finoana
FJKM Manarintsoa Finoana


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Mpamaky : 42
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Vutus14
Tamin'ny : 10/10/2018 15:38:13
ID : 11032

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo