Ny manana Anao (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)



Ny Fanahy Masinao ry Tompo no itokiako izao
Ho vatolampy sy ampinga fiarovako
Na maro aza ireo izay mila handavo ahy
Dia tsy hiahiahy aho fa MANANA ANAO

Fa na dia hisy arivo ho lava eo anilako
Na hisy iray alina aza ankavanako
Dia ny tananao ihany no itokiako
Fa hamonjy ahy hatrany na aiza hizorako

****************************************

1- Tiako ny mitoetra eo ambany elatrao
Fiainana, fahasambarana ary fiadanana no omenao
N'inona zava-tsoa eto an-tany mety hahafinaritra ahy
Dia tsy ahoako ireo ry Jesoa raha tsy avy Aminao

Ny Fanahy Masinao ry Tompo no itokiako izao
Ho vatolampy sy ampinga fiarovako
Na maro aza ireo izay mila handavo ahy
Dia tsy hiahiahy aho fa Tsiky dia ampyMANANA ANAO

Fa na dia hisy arivo ho lava eo anilako
Na hisy iray alina aza ankavanako
Dia ny tananao ihany no itokiako
Fa hamonjy ahy hatrany na aiza hizorako

*****************************************

2- Ny ho avy izay tsy hay vinaina mbola holalovako
Dia ho azo antoka fa hisy ady sy sedra, fakam-panahy
Amin'ny maha olona dia tsy maintsy kivy fo
Fa ny fanatrehanao no hampitraka ahy mba ho sahy

Ny Fanahy Masinao ry Tompo no itokiako izao
Ho vatolampy sy ampinga fiarovako
Na maro aza ireo izay mila handavo ahy
Dia tsy hiahiahy aho fa MANANA ANAO

Fa na dia hisy arivo ho lava eo anilako
Na hisy iray alina aza ankavanako
Dia ny tananao ihany no itokiako
Fa hamonjy ahy hatrany na aiza hizorako

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Mpamaky : 78
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Vutus14
Tamin'ny : 08/10/2018 12:03:30
ID : 11023

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo