Jehovah no mpiandry ahy (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

Akaikinao Ray
Eo no tena tiako
Eny eo no fifaliako
Eo no mahatsara ahy ry Tompoko
Anilanao Ray
Tsisy mampanahy
Fa ny atolotrao ho ahy
Fiadanana mandrakizay

1- Jehovah ô Ianao no Mpiandry ahy
Ka tsy hanan-java-mahaory aho
Raha eo Aminao
Izaho dia handry ka tsy hanana ahiahy
Satria Ianao mahery Tsitoha no momba ahy

Akaikinao Ray
Eo no tena tiako
Eny eo no fifaliako
Eo no Tsiky dia ampymahatsara ahy ry Tompoko
Anilanao Ray
Tsisy mampanahy
Fa ny atolotrao ho ahy
Fiadanana mandrakizay

2- Jehovah ô Ianao nandinika ahy
Ka mahafantatra izay mahasoa ity mpanomponao
Ianao no mamelona sy miahy ahy
Ka manome ahy fifaliana mandrakizay

Akaikinao Ray
Eo no tena tiako
Eny eo no fifaliako
Eo no mahatsara ahy ry Tompoko
Anilanao Ray
Tsisy mampanahy
Fa ny atolotrao ho ahy
Fiadanana mandrakizay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Mpamaky : 122
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Vutus14
Tamin'ny : 02/10/2018 09:26:06
ID : 11007

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo