An-tananao ry Ray (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

AN-TANANAO RY RAY

Tompo ô, am-pelatananao
No ametrahako ny fiainako
O arovinao mba tsy hania aho
Fa te mba hifikitra Aminao

Fiv:
Izao tontolo izao milofo
Hanimba ny fanahinay
Hamily ny fo sy hevitray, finoanay
Tsy ho eo anilanao indray
Ka aza avela ho irery aho
Fa tantanonao ny diako
Ny fiainako rehetra
Apetrako Amtononkira.serasera.orginao
An-tananao ry Ray

Tsy misy maharombaka tokoa
Izay eo an-tananao ry Ray
Tafatoetra lavitra ahiahy
'Zany foko satria itoeranao

Fiv:
Izao tontolo izao milofo
Hanimba ny fanahinay
Hamily ny fo sy hevitray, finoanay
Tsy ho eo anilanao indray
Ka aza avela ho irery aho
Fa tantanonao ny diako
Ny fiainako rehetra
Apetrako Aminao
An-tananao ry Ray

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Mpamaky : 158
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Vutus14
Tamin'ny : 19/09/2018 15:53:47
ID : 10984

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo