Tsy hankaiza (Antsan'ny Fahazavana Ambohitrinibe (A.F.A))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1°) Jesosy ô !ankaiza moa izahay
Moa ve hiantefa indray amin’izao hita maso izao
Sanatria Tompo ô raha izahay no ndeha hiantoraka an-kafa indray
Jesosy ô!ankaiza moa izahay
Raha izahay efa mino ireto no andeha hanompo Tompo roa
Tsy hanaja ny anaran’Andriamanitra
‘Zay saro-piaro@ voninahiny
Moa ve azo ekena ho isan’izay
Handova ‘lay fiaina-mandrakizay
‘Zay nampanantenan’ny RAY

Choeur: Raha izahay efa mino ireto indray
No aneho fitiavan-tena ka hanompo vola sy harena o!
Moa ve azo ekena ho isan’izay ho vonjena
Satria manompo Tompo roa
2°) Jesosy o!ankaiza moa izahay
Raha tojo fahoriana sy fakam-panahy mahery
Vatolampiko re Ianao
Sady antenaiko fa tsy andao
Jesosy o! ankaiza moa izahay


A/C: ANDRIANJAKANIRINA Manantsoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Fahazavana Ambohitrinibe (A.F.A)
Vangy : 1296
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : s.aina
Daty : 29/11/2016 13:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738