Hihira ho anao aho (Antsan'ny Fahazavana Ambohitrinibe (A.F.A))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref : HIHIRA HO ANAO AHO (3) TOMPO O !
HANANDRATRA ANAO AO (2)
RAHA MBOLA VELON’AINA KOA


1- REHEFA INJAY MIBALIAKA SOA
KA MIRAMIRANA AOKA IZANY
NY ZAVATRA MAMARNO NY FOKO
DIA FIDERANA SESILANY
ISAORAKO ANAO AVOKOA
NY FAMINDRAM-PO NOMENAO AHY
NAVELANAO AVOKOA NY HELOKO
KA INDRO AHO MIJORO SY SAHY

2- NA MALOKA AZA INDRAINDRAY
KA DITSOKA NY MASOKO ROA
NY AO ANATINY AO NO TOMANY
DIA MBOLA FIDERANA AVOKOA
SATRIA TSY SOA IHANY TOKOA
NO RAISINAY AVY ANY AMINAO
FA METY HIFANESY NY JALY
NY FOKO TSY MBA HIALA AMINAO

3- KA INDRO HAVAOZIKO ANIO
AMIN’IZAO TAON-JAOBILY IZAO
NY FANOLORAN-TENA MADIO
RAISO RE KA ANKASITRAO
NY MOMBA AHY REHETRA RY RAY
OMEKO MBA HO FANIRAKAO
NY VATANA SY SAINA FANAHY
HANAO IZAY REHETRA TINAO

A/C: RAKOTONDRATSIMBA Harivola
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Fahazavana Ambohitrinibe (A.F.A)
Vangy : 1934
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : s.aina
Daty : 29/11/2016 13:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3096