Miorena mandrakizay (Antsan'i Fenomanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Iza moa Tompo o
No iantsoako ny Anaranao
Fa ny toetra tsara rehetra
Dia taratra avy Aminao
Ny tantaram-piainako
Iriko mba hidiranao
Koa tefeo, koa tefeo
Hanahaka ny endrikao

Ref : Koa inty aho, onenanao
Miorena mandrakizay
Mba hivelomako ary inoako
Ny herin'ny fitiavanao

2 - Ho aiza moa Tompo o
Raha toa ka tsy hifikitra Aminao
Niadohana ary koa hiafarana
Mandalo izao rehetra izao
Ny hazavan'ny tavanao
No hanenika ny ati-fanahy
Koa inoako, koa inoako
Ny herin'ny fitiavanao

Ref : Koa inty aho,...




Antsan'i Fenomanana
Aut/Comp : RANDRIANARIJAONA Henry
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'i Fenomanana
Vangy : 1131
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : FetraRAN
Daty : 12/04/2018 08:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778