You are here: home > Tononkira > Antsan'i Fenomanana

AINA AVY AMINAO (Antsan'i Fenomanana)

AINA AVY AMINAO

1- Toy ny rano mikoriana
Tsy mahita ny hiafarany
Izao diako izao.
Fa matetika aho no lavo
Anaty ona tsy hita fetra
Tsy mba nisy ireo nitsetra
Fa ny bitsikao mangina
Nanambara am-panahiana
Ndeha hizory izay nodiaviko

FIV : Tompo ô, ry Tompoko ,Ianao no tokiko,
Ka na inona hidona sy hanjo ,Ianao no manda fiarovako
Eny matoky aho manana Anao,
Mitantana ny fiainako.

2- Toy ny etononkira.serasera.orgrika mifafy
Mahangoly ny fanahy
Izato tetik’I Satana.
E! toa vahotra ny nofo
Mitofezaky ny hatsiaka
Sy ny rivotra nifofo
Fa ny afon’ny Fanahy
Miredareda tsy hay tohaina
No hamindroako am-pifaliana

3- Voninkazo maro loko
Mampitsiky ny maraina
Izato lapanao ry Ray.
Mampisokatra ny fo
Voaratran’alahelo
Nitoloko an-dranomaso
Fa ilay Aina vaovao
Ilay Aina avy Aminao
No hisantarako izao.

Volume 1 \" MIFANKATIAVA\"

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsan'i Fenomanana
Mpamaky : 1667
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : RNJP
Tamin'ny : 28/10/2004 03:52:10
ID : 2681

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo