Misy antenaiko ety (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy antenaiko intsony ve ety
Misy ametrahako ny fo
Ry mpamonjiko midina ka avia
He jereo ty mety lo

Fa ny faniriako dia fantatrao
Tsy miafina Aminao ny dia
Zay fanantenako dia hitanao
Ry mpamonjiko avia

Fahoriana foana izao tonotlo izao
Inoako ny ho velona ety
Raha hadisoako izany avelao
Ry mpamonjiko avia
Andrandraiko anio ny loha
Hanatena anao Tsitoha
Fifalia-mihelina no hitako ety
Ry mpamonjiko avia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 1637
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 02/09/2015 22:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3744