Miantoraka (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy ô! inty aho e!
Manatona fa mila Anao
Foiko avokoa ny tenako
Mba raiso re, manolotra fo

Ny androko zay momba ahy
Hatokako, foiko ho Anao
Mba hanjakao ny fiainako
Fenoy re ho rakitra soa

Miantoraka an-tratranao
Antanan-droa, fo sy fanahy
Miangavy sy koa mitalao
Akaikinao no mahatsara ahy

Mangataka famindram-po
Avy Aminao lay Ray Tsitoha
Fitiavana Ianao sady tsy mba mandao
Zay manatona tsy mba nolavinao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 1032
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 02/09/2015 22:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729