Mankaiza (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MANKAIZA?
Mba lalana mankaiza angaha
Ity lalan’izay izoranao ty
Moa ve mankany kanana paradisa
Azonao antoka izany sa tsia
Hamarino tsara ihany zay hombana
Ndrao sodoka ny antsoantso andao ihany
Tena safidy malalaka anie
Ny mifidy izay hitondra handeha

Sao dia zotra tsy mankany io fantaro
Sao ho very antanin’olona any ianao
Raha ety anie no very vita ihany
Fa any ankoatra any anie ka ho raharaha
Dieny mbola misy maso
Ary sofina ankiroa
Aza asiana andrasoandraso
Hoe mankaiza moa
Ary zotra faha firy
Ka jereo ny eo aloha
Ary iza ilay mpamily
Satana sa Jesoa

Ny lala-marina sy Mahitsy
Izay hita tena mandeha dia vitsy
Fa mikendry ny hiampita indroa
Tratra afara lasa-tapa-dalana koa

Fa ny tanjona azo antok’iray
Dia ny ho tonga eo anatrehan’i Ray
Kanefa misy fahavalo mpitily
Izay mitaona hisintona anao mba hivily
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 1034
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 25/08/2015 16:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.108