Mahatoky Andriamanitra (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MAHATOKY ANDRIAMANITRA
Eo mandrakariva Jesosy Tompo
Hitarika anay ho amin’ny fandresena
Na toy inona haben’ny fahoriana
Na mety hamafin’ny fijaliana
Fa izy dia tsy mba mitaza-potsiny
Manafaka anay amin’ny fahaterena
Ao anatin’ny mafy sy sarotra
Dia mahatoky hatrany Andriamanitra
Nandalo ny enjika sy ny latsa
Izay tena tsy hita velively
Na atopatopan’ny alon-drano
Mafy aok’izany ny sambokely
Kanefa ny zavatra nahavariana
Rehefa nadiva hilentika
Ny vavany fotsiny nampangiana
Avotra indray fa tsy rendrika
Nasehony fa Izy irery ihany no tompon’ny hery sy fahefana
Tsy misy afa-manakana ny tiany atao ety an-tany
Ka ny anarany mahery izay tsy mety voafaritra
Asandratra any amin’ny avo indrindra
Mendrika omem-boninahitra
Ny hoso-potaka dia nihatra
Niampy ny fanalam-baraka
Be loatra ny zavatra toa mafaitra
Ka rotsaka hatramin’ny ranomaso
Teo indrindra anefa no nilazany
Amin’ny feo avo sy entitra
Tsy misy ny afaka hiampanga
Izay nofidian’Andriamanitra
Eo mandrakariva Jesosy Tompo
Hitarika anay amin’ny fandresena
Na toy inona haben’ny fahoriana
Na mety hamafin’ny fijaliana
Fa Izy dia tsy mba mitazam-potsiny
Manafaka anay amin’ny fahaterena
Ao anatin’ny mafy sy sarotra
Dia mahatoky hatrany Andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 1031
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 02/09/2015 23:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0891