fitiavana (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FITIAVANA
Tompo ô! Endrey ‘ty fitiavanao
Jesoa ô! Ny rànao no nalatsaka
Niafianao ny kapoka izay natao
Nahonena fa ny ainao mbola afaka
Nefa dia Ianao tsy mba nanohitra
Tsy nandà ny lalana voasoritra
Hahatoa ny tenin’ireo mpaminany
Ho famonjena ny olon-drehetra eran-tany
Mba hahatonga anao tsy hovoatana
Amin’ny fanangejan’ny satana
Raiso re Jesoa tia, izay efa tonga tety
Nahafoy ny ainy Izy ho ahy sy ho anao
Mba hamonjena izao tontolo izao
Dia fitiavana hanavotra (mandrakizay)
Moa ve tsy misy hevitra azo atao
No Ianao no nigoka ny ngidiny
Fa dia famoizan’aina toa izao
Sy tokana ny lalana izay hitany
Be dia be no tsy mahatsapa izany
Ka mandà ilay fampihavanana
Avotra vitany tamin’ny ràny
Fitiavana nahafoizany ny zanany
Mba hahatonga anao tsy hovoatana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 1079
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 27/11/2015 19:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765