Antsafi folo Taona (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno folo taona izahay nanompoana, nijoro soamantsara e! (Misaotra Ray ô!)
Antsafi no anarana entina iantsoana, hitory filazantsara e!
Fa ny fahasoavanao Ray no tsaroana, matoa toy izao izahay e! (Misaotra Ray ô!)
Na mafy sy mideza Ianao dia teo foana, hiady ho mpitarika anay!

Refr: Havaozinay izao ny fanoloran-tena
Ombany ny fanekena;
Hitory ireo Jodia any Jerosalema,
Hatrany am-parantany e!
Fianao ilay niandohana sy mbola hiafarana
Antom-pisian’izany asa izany
Haneho ny voninahitrao hatrany hatrany;
Hamoha matory, Hanaitra fanahy.

Be ny soritr’Asanao sady tsy mora, ‘zahay koa tsy mahay e! (Tsinjovy Ray ô)
Tsy vitan'ny hery kelinay sy ny vola, Tompo ô ampio sy hombay.
Mandra-pihavianao ry Jeso, ho tonga hiverina indray e! (Aoka Ray ô!)
Ampaherezo izahay tsy ilona, Azony ho mandrakizay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 1155
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Maxi15
Daty : 21/06/2016 12:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734