AVIA JESOSY Ô! (Antsa an'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty aho Jesosy ô manohina ny antsonao
Vonona hanaiky izay ampanaovinao
Matoky fa tsy hanome zava-dratsy ahy
Ianao Jesosy tsara ô
Inty aho Jesosy ô manao ny asanao
Arovy amin’ny asan’ny satana aho
Matoky aho fa voavolanao
Hitovy endrika Aminao

Inty aho Jesosy ô inty aho Jesosy ô
Tsy manaiky aho raha tsy fifalianao
Ka n’inona ataoko ho Anao
Ekeo fa hampita ny hafatrao Jesosy ô ô
Avia Jesosy ô tsy manaiky aho
Tsy manaiky aho raha tsy fifalianao

Ka na dia sarotra ny manao ny asanao
Tefeo mba hahazaka ny mafy izahay
Matoky fa tsy hanome zava-tsarotra ahy
Ianao Jesosy tsara ô
Avia Jesosy ô avia jesosy ô
Tsy manaiky aho raha tsy avahanao
Ka izay rehetra vitako
Dia raiso ho voninahitrao Jesosy ô
Avia Jesosy ô tsy manaiky aho
Raiso ho voninahitrao

Avia Jesosy ô avia jesosy ô
Tsy manaiky aho raha tsy avahanao
Ka izay rehetra vitako
Dia raiso ho voninahitrao Jesosy ô
Avia Jesosy ô tsy manaiky aho
Raiso ho voninahitrao (3X) Amen
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsa an'i Kristy
Vangy : 1704
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 14/11/2018 20:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072