TSY TAKATRY NY SAINA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy takatry ny sainay ry Ray
‘zao fahorian’i Jesoa izao
Nijaly sy niafy mafy tsy namaly fa niharitra teo

Ny ranao izay nirotsaka
Ny kapoka nanjo Anao
Hay fanavotanao ho anay ry Jesoa
Sorona tokoa Ianao

He velona Ianao ry Jesoa
Dia velona tokoa izahay
Dia indro atolotray ho Anao
Izao ny fo sy tenanay ry Jesoa

He ravoravo izay fo
Hanandratra Anao Ray Tsitoha
Ka raiso ho Anao mandrakizay ny fo
Sy ny tenanay ry Jesoa

Jean Fils RAKOTOMALALA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 1250
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zeea
Daty : 02/08/2017 14:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731