RAHA EO JESOA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao fiainantsika izao
Raha mbola eto an-tany
Dia hiasa ny hamoa
Ampihely hatrany hatrany
'Lay Jesoa tompotsika
Tompon'ny zava-drehetra
Sy harena tsy voaisa
Ary tsy mba mana-petra

Fa izay rehetra aleha
Jesoa no rehareha
Izy no anjaratsika
Hazavana mibalika
Ka ny asa izay atao
Atolory ho voninahiny
Ny fiainanao ho soa
Raha mbola eo Jesoa

Izay rehetra efa nijoro
Hanompo ny Tsitoha
Tsy ho rava na hikoro
Satria eo Jesoa
Ho fenoiny ny fanahy
Ho eo anilanao hatrany
Mandrosoa aza manahy
Hatrany an-danitra any

Fa izay rehetra aleha
Jesoa no rehareha
Izy no anjaratsika
HAzavana mibalika
Ka ny asa izay atao
Atolory ho voninahiny
Ny fiainanao ho soa
Raha mbola eo Jesoa

Jean Fils RAKOTOMALALA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 822
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zeea
Daty : 01/08/2018 10:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3696