Ny hazo fijalianao (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

Ny hazo fijalianao
Jesoa malala o tsy hay tononina
Nohomboina nijaly mafy
Ny rĂ  nilatsaka ho sorona

Endrey ny fitiavanao Jesoa
Niharitra ny mafy indrindra tao
Ho famonjen’izao tontolo izao tamin’ny ota izay natao
Tsy misy toa Anao Jesosy o
Ny ainao no nafoy mba ho anay
Atolotro Anao ny foko
Ho Anao mandrakizayTsiky dia ampy

Ny hazo fijalianao
Jesoa malala o no hitokianay
Nanavotra aina anay
Sy nanadio mba ho afaka tokoa

Endrey ny fitiavanao Jesoa
Niharitra ny mafy indrindra tao
Ho famonjen’izao tontolo izao tamin’ny ota izay natao
Tsy misy toa Anao Jesosy o
Ny ainao no nafoy mba ho anay
Atolotro Anao ny foko
Ho Anao mandrakizay



Jean Fils RAKOTOMALALA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Mpamaky : 32
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zeea
Tamin'ny : 15/04/2019 11:54:18
ID : 11538

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo