JESOA RAY MPIARO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

Jesoa Ianao no Ray mpiaro
Ka tsy hanatahotra izahay
Satria Ianao, Ilay mpiandry tsara sy mpanasoa anay
Ka tazony sy hampaherezo
Raha manalavitra Anao
Ho tanora miaina sy maharitra ny teninao

Ka ny hira no asandratray
Mba ho fiderana Anao ry Ray
Ka ny feonay dia ho Anao
Ho fankalazana Anao Jesoa
Ka tazony sy hampaherezo
Raha manalavitra Anao
Ho tanora miaina sy maharitraTsiky dia ampy ny teninao

Ray o arotsay aminay izao
Ny fitahiantsoa Anao
Ka izay rehetra vitanay anie
Dia ho voninahitrao
Raha hiala eto izahay Jesoa
Dia tsy ho very izay avy Aminao
Satria Ianao no mpitarika ny lalànay

Ka ny hira no asandratray
Mba ho fiderana Anao ry Ray
Ka ny feonay dia ho Anao
Ho fankalazana Anao Jesoa
Ka tazony sy hampaherezo
Raha manalavitra Anao
Ho tanora miaina sy maharitra ny teninao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Mpamaky : 117
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zeea
Tamin'ny : 10/08/2018 13:47:26
ID : 10863

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo