HIHIRA HO AN'I JEHOVAH (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hihira ho an'i Jehovah lalandava aho
Eo anatrahany mandrakariva ny fiderana
Fa Izy no mitarika ny lalana ho afaka
Fa Izy no mitarika, mitantana

Fa Kristy no tsy mahafoy
N'aiza n'aiza misy anao
Mitsinjo anao, apinga anao
Aza manahy
Ny fanavotana anay dia efa vitanao ry Ray
Ka hira ho Anao izahay mandrakizay

Fa izahay dia hitoetra anilanao
No mahatsara anay ry Ray mahery o
Hanompo Anao, hitory dy hihira ny teninao
Ny herinao no amitanay ny asanao

Fa Kristy no tsy mahafoy
N'aiza n'aiza misy anao
Mitsinjo anao, apinga anao
Aza manahy
Ny fanavotana anay dia efa vitanao ry Ray
Ka hira ho Anao izahay mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 888
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zeea
Daty : 13/08/2018 07:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4154