FEO MAMY 40 TAONA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

Misaotra Anao 'zahay Jesoa Tomponay
Noho ny fitahiana nomenao anay
Ny tanam-pitiavana mitantana anay
Ka tratr'izao andro mamy izao

Efa-polo taona nihiranay ho Anao
Nanambara hatrany ny Teninao
Ny Feo Mamy hiasa sy hankalaza Anao
Tarihin'ny Fanahy Masinao

Andeha hitory ny filazantsara
Amin'izao olona rehetra any
Andriamanitra no miantso mba hizara
Mitoria hatrany amparan-tany

Tsiky dia ampyDera laza ho Anao mandrakizay
Mitsinjo hatrany hatrany izany lalanay
Indro havaozinay ny fanoloran-tenanay
Hanohy ny asanao mandrakizay

Efa-polo taona nihiranay ho Anao
Nanambara hatrany ny Teninao
Ny Feo Mamy hiasa sy hankalaza Anao
Tarihin'ny Fanahy Masinao

Andeha hitory ny filazantsara
Amin'izao olona rehetra any
Andriamanitra no miantso mba hizara
Mitoria hatrany amparan-tany

Jean Fils RAKOTOMALALA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Mpamaky : 182
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zeea
Tamin'ny : 02/08/2018 07:51:31
ID : 10820

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo