Mitady vonjy (Antoko Mpihira Tsantam-pamonjena FJKM Ambavahaditokana-Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Trotraka, valabalaka ve izato hianao
Noho ny fianana miasarotr'isan'andro izao
Resy hianao ka mibanjina ny lanitra
Miandry tanana hitantana ...

Refrain :
Mbola sarotra tokoa
Ny lalana diavinao
Koa manana herim-po hianao
Fa hanampy anao Jesoa
Amin'izay rehetra hatao
Aza adinoina ny mivavaka

Takona ny masoandron'ny fiainana
Maizina tokoa zato lalana halehanao
Resy hianao ka mibanjina ny lanitra
Miandry ny masoandro hiposaka ...

Mbola sarotra tokoa
Ny lalana diavinao
Koa manana herim-po hianao
Fa hanampy anao Jesoa
Amin'izay rehetra hatao
Aza adinoina ny mivavaka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Tsantam-pamonjena FJKM Ambavahaditokana-Itaosy
Vangy : 1673
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Barr2915
Daty : 21/01/2015 08:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3661