You are here: home > Tononkira > Antoko Mpihira MORIA

Vonona aho (Antoko Mpihira MORIA)

Na enjehina aza ny Manompo anao
Dia izaho no sahy hilaza fa Ianao no fiainam-baovao
Na ho avarina an-kady na ho lefonina koa
Ianao re no kiady ry Andriamanitro Ray tsitoha

Vonona aho ny hanompo anao
Ny aiko re no Indro atolotro izao
Ho fanintsina ireo izay nania
Hanara-dalana anao tononkira.serasera.orgTompo tia
Ireo rendrarendra sy ireo kilalao
Izay nampisaraka anay taminao
Soloiko vavaka sy asa soa
Taratry ny asanao Tomposoa

Na dia maro aza Raiko
Ireo ratsy vitako
Ankehitriny re ny saiko dia efa hatodiko aminao
Toa tsy mendrika ahy Tompo
Ny atao zanakao,  aoka re mba ho mpanompo
Fa izay no mendrika ahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Mpamaky : 666
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ericsmiler1
Tamin'ny : 28/12/2014 21:48:46
ID : 6911

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo