TONGA ILAY MAHERY (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Fihobiana re no feo ho enti-manandratra
Fa tonga ety tokoa Ilay maherin’Andriamanitra
Izy irery ihany no nitondra ny ziogako
Hamira-piratra ny androm-piainako

Fiadanana ety an-tany
Ho an’ny ankasitrahany
Fiadanana ety an-tany
Ho an’ny ankasitrahany

Izy no ho deraina
satria tonga ny famonjena
Kristy Lay Mpamonjy
re no fahendrena

2- Ho deraiko ho deraiko Jehovah Tompoko
Namelombelona ny mahantra sy mahory indrindra
Lay Jesoa nateraka no làlana fantatro
Fanilo hiakarana any an-danitra

Fiadanana ety an-tany
Ho an’ny ankasitrahany
Fiadanana ety an-tany
Ho an’ny ankasitrahany

Izy no ho deraina
satria tonga ny famonjena
Kristy Lay Mpamonjy
re no fahendrena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 972
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : faliherijaona17
Daty : 08/08/2017 21:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072