You are here: home > Tononkira > Antoko Mpihira MORIA

NY FINOANA (Antoko Mpihira MORIA)

1.Manam-pinoana ianao
Araho asa soa, iaino koa
Ampanjakao anatinao
‘Lay mahery Jesoa Tompo soa
Ny fahendrena anananao
Tsy avy amin’olombelona
Fa hanitra tsara ho anao
‘Zay avy amin’Andriamanitra

Ref:Ny finoana, fahendrena
Tsy an-tery na noterena
Fa vokatry ny fo madio sy mora
Tsy am-pihatsarambelatsihy
Sady tia fihavanana
Ary ombam-pahamarinana
Fahendrena  mora alahatra
Avy amin’Antononkira.serasera.orgdriamanitra

2.Na manam-pahendrena
Sy manam-pahalalana ihany koa
Nefa ny fitondran-tena
Tsy araka ny làlan’ny Tsitoha
Manjaka ny fialonana
Sy fifampiandaniana ao am-po
Reseo am-pitiavana
Araho tsiky sy famindram-po

Ref:Ny finoana, fahendrena
Tsy an-tery na noterena
Fa vokatry ny fo madio sy mora
Tsy am-pihatsarambelatsihy
Sady tia fihavanana
Ary ombam-pahamarinana
Fahendrena  mora alahatra
Avy amin’Andriamanitra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Mpamaky : 89
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 21:37:33
ID : 9837

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo