You are here: home > Tononkira > Antoko Mpihira MORIA

Njao fa tonga ny andro (Antoko Mpihira MORIA)

1-‘Njao fa tonga ny andro
Jesoa miantso anao mba hankat?
Aoka hatreo ny andraso
F’Izy ekeo  ao am-po
Na ho soa na ho ratsy
Na ho mora na ho sarotra
Maneke f’io no vatsy
Soa tsy iadiam-barotra

Ref 1:
Na mafy na ho mora
Na voky na ho noana
Efa tonga ilay ora
Aza miandry fotoana

Ref 2:
Andao, andao fa miantso ny Tompo anio
Ekeo, f’aza mandà
Araho, araho finoana fa io manadio
Tsiky dia ampyNy loto izao, andeha re miovà!

2-Ny finoana manova
Zava-maro an-tapitrisa
Ary koa mampandova
Fiainam-paradisa
Jesoa miantso anio
K’aza manamafy ny fonao
Fa ny tenanao io
No atolory Azy izao

Ref 1:
Na mafy na ho mora
Na voky na ho noana
Efa tonga ilay ora
Aza miandry fotoana

Ref 2:
Andao, andao fa miantso ny Tompo anio
Ekeo, f’aza mandà
Araho, araho finoana fa io manadio
Ny loto izao, andeha re miovà!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Mpamaky : 104
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : faliherijaona17
Tamin'ny : 08/08/2017 21:33:17
ID : 9838

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo