Ekeko foana (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray malala ô! Ndreto izahay
Manavao ny tenanay
Ka ny foko sy fanahy
Sy ny saiko ary izay momba ahy
Ho anao manontolo
Ny rehetrako dia ianao
Ka tsy hisy hahasolo
Fa dia ianao dia ianao

Ref : Ekeko foana ny ho irakao
Satria efa natolotro ho anao
Hatramin'ny fara-fofonaiko
Ny asanao dia hajaiko

Na ny mafy na ny sarotra
Inty aho manaiky anao
Tsy asiako adi-varotra
Fa vonona aho izao dia izao
Toaviko ny teninao
Ary hazoto ho irakao
Ny anio sy ny ampitsoko
Dia ho anao Ray malalako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 1163
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andrytianarajoelison
Daty : 03/07/2018 21:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078