AZA MANAHY (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Marobe ny ady mafy atrehanao e!
Fahavalo no manoloana anao e!
Aza matahotra, na mivadi-po
Fa Andriamanitra, Izy no Tsitoha

Ny finoana no ataovy ambony indrindra
Fa na ny tendrombohitra, azo afindra
Ny fanahiana hody fahasahiana
Ny haratsiana ho fahamarinana

Réf.1 Ny finga-pingana, sy fanenjehana
Tohero ho ringana ho latsa-panenenana
Ka ny finoana ‘zay efa ananana
No loha-laharana

Réf.2:Ô ! Mijoroa, misehoa fa efa azonao
Ny fandresena dia ny famonjena nomena anao
Jeso dia efa naharesy izao tontolo izao
Aza manahy f’Izy Ilay Mpamonjy no momba anao

2- Maro koa ireo tsy mba te-hahalala
Mpanenjika ary koa mpankahala
Ô! Mijoroa, reseo ny hakiviana
Fa tofoka sy leo ny haratsiana

Eny e, efa be no mitaraina
Fa hoe tsy mba manan-k’antenaina
Reseo amin’ny soa ny forongon-dratsy
Ny finoana no ataovy vatsy

Réf.1 Ny finga-pingana, sy fanenjehana
Tohero ho ringana ho latsa-panenenana
Ka ny finoana ‘zay efa ananana
No loha-laharana

Réf.2:Ô ! Mijoroa, misehoa fa efa azonao
Ny fandresena dia ny famonjena nomena anao
Jeso dia efa naharesy izao tontolo izao
Aza manahy f’Izy Ilay Mpamonjy no momba anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 1445
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : faliherijaona17
Daty : 08/08/2017 21:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723