MIDERA ANAO AHO (Antoko Mpihira HOSANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Midera anao aho ry Ray Mpahary
(Midera Anao)
Tompon'ny lanitra sy tany
(Midera Anao)
Maha-te hidera ny Asanao
Manandra-tanana aho
Misaotra Anao ry Raiko

Tamim-pahendrena sy ny hery,
No namoronanao ireny
Na ny hita maso na tsy hita
Dia noharianao sy vita
Maneho ny sitraponao
'Zay rehetra ataonao tsy hay tohaina
Fa Anao ny fahefana
Dia anao avokoa

Ref: Midera Anao aho
Fa tsara ny Asanao
Ry Tompo Tsara indrindra
Midera Anao aho
Hitory 'lay Fitia
Fitia mitoetra
Mandrakizay doria
Mandalo ihany anefa
(mandalo avokoa)
Ny zava-drehetra
Ny Fanjakanao kosa hitoetra
'Reo matoky rehetra
Dia mbola hidera Anao

Midera Anao, ry Famonjena
(midera Anao)
An-tsitrapo fa tsy terena
(midera Anao)
Fa tsy voakosoka ao an-tsaiko 'lay
Nanoloranao aina, mba hanavotana ahy

Midera anao aho am-patokiana
Hitondra ny Hazofijaliana
Fa io no lalam-pahazavana
Nitondra fiovana
Ho an'ny Fanahy sy foko
Tsy misy lalana ialana
'Reo efa fahotana
Soa ihany teo Ianao

Ref: Midera Anao aho
Fa tsara ny Asanao
Ry Tompo Tsara indrindra
Midera Anao aho
Hitory 'lay Fitia
Fitia mitoetra
Mandrakizay doria
Mandalo ihany anefa
(mandalo avokoa)
Ny zava-drehetra
Ny Fanjakanao kosa hitoetra
'Reo zava-tsisy fetra
Ny Voninahitrao

Ref:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira HOSANA
Vangy : 15205
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ifody
Daty : 14/05/2010 13:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739